Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa
Anisan’ireo mampalaza ny lalam-pirenena faha-2 mapitohy an’i Toamasina sy Antananarivo ny faharatsian’ny lalana sy ny tsy fandriam-pahalemana, maro anefa amin’izao fotoana izao ny mpamiasa iny lalam-pirenena iny.
Nalaza tato ho ato fa misy olon-dratsy mitoraka ireo fiara izay mikasa ny hiazo an’i Toamasina, « eo anelanelan’i Brickaville sy Moramanga no tena matetika hitrangan’izany » hoy ny filazan’ireo mpampiasa lalana. Velon-taraina arak’izany ireo mpampiasa ity lalam-pirenena ity fa anaty tebiteby no handehanana hiala sasatra. « Fahiny aza, avy dia atsivalan’ireo olon-dratsy eo amin’ny arabe ny hazo lehibe na asiny vato be eo dia tsy maintsy mijanona ny mpandeha fiara dia avy izy avy any anaty ala mitondra basy ary avy dia manendaka izay azony alaina rehetra eny amin’ireo mpandeha » raha ny fitantaran’i Honorat, mpamily taxibrousse mampiasa ny lala-pirenena faharoa.
Henon’ireo tompon’andraikitra maro eo anivon’ny fitondrana ny fitarainan’ireo vahoaka mpampiasa ity RN2 ity ary dia nametraka paikady izy ireo ho entina hiadiana amin’izany tsy fandriam-pahalemana izany. « Misy zanadrimaria nasionaly miisa 25 izany alefa isahana sy andrafitra ny BRS na ny atao hoe « Brigade routière special de Sahamamy » izay iandraikitra manokana ny RN2″ hoy ny fanambarana nataon’ny teo anivon’ny Ministera mpiahy. Nomena fitaovana manokana izy ireo ho entiny hanatanterahina sy hanamorana ary koa hanafainganana izany andraikitra lehibe sahanin’izy ireo izany, anisan’ireo fitaovana azon’izy ireo ny moto, fitaovana informatika avo lenta, fitaovam-piadiana ary indrindra indrindra alike mpitsongo dia.
« Isaorana hatra ny hezaka ataon’ny fitondrana izay efa hita tokoa fa manao izay ho hafany mba hamerenana indray ny fandriam-pahalemana eny anivon’ireny lalam-pirenena ireny » raha namoaka ny heviny i Rosalie, mponina ao Manjakandriana.
Mbola mety ho fona tokoa ve ny asa ratsy eny amin’ireny lalam-pirenenana ireny raha ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny no jerena ?
Fanja Rakotoarisoa
