Nisy ny fananganan-tsaina voalohany tany amin’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena
Tanteraka ny Alatsinainy 23 Aogositra 2021 ny fananganan-tsaina voalohany teo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena tao aorian’ny nitsanganan’ny Governemanta vaovao sy ny nandraisan’Andriamatoa Mamod’Ali Hawel ny toerany amin’ny maha Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena azy.
« Mirary soa ny Ministra sy ny mpiara-miasa rehetra ary tiana ny milaza fa miverina ara-dalàna ny mpiasa rehetra fa kosa ao anaty ny fanajàna tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana » hoy ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Ministera. Nilaza ihany koa ny Ministra fa « Ministera manana ny mampiavaka azy tsara ny Ministeran’ny tanora sy nyc fanatanjahan-tena ary vonona aho ny hiara-hiasa amin’ny rehetra ho fampandrosoana ny Ministera sy ny mba hanatanterahana ireo velirano napetraka ».
« Misokatra ho an’ny rehetra ny Ministera indrindra ny tanora vonona hampandroso eto Madagasikara, isika rehetra miaraka manko no manome fampandrosoana » hoy ny mpiasa iray eo anivon’ny Ministera. « Tanora izahay ary tanora mila fiarovana sy fiahivana mba hahafahanay mihetsika sy mandroso hatrany, manantena ny fampandrosoana eo aminay izahay amin’ny alalan’ny Ministera mpiahy anay » hoy i Zicô, tanora avy any Andavamamba. Tsy ny Ministra irery akory no mitantana ny Ministera fa eo ihany koa ireo ranstana maro ao anatiny ka antenaina fa hifanampy hatrany ziy ireo ary i Madagasikara tafita no tanjona iombonana.
Nicole Rafalimananjara
