Ny tantaran’ny Rongony teto Madagasikara
Anisan’ny zava-boahary ny Rongony, manana asany betsaka izy na tsara na ratsy toy ny miaro amin’ny homamiadana kanefa mampitapy sy mampanaonao foana. Enjehin’ny lalàna ny fambolena, ny famarotana ary ny fifohana azy ka mampigadra mihitsy. Hita mantsy fa io zava-maniry io no tena anton’ny tsy fandriam-pahalemana voalohany indrindra indrindra ny resaka fanolanana sy ny famonoan’olona. « Tsy misy olombelona salama saina tsara mahavita mamono olona na manolana zazakely fa entin-javatra izay nifohany ihany » hoy i Sandra, mpianatra.
Ny Rongony na hoe « cannabis sativa » dia maniry toy ny voninkazo dia ka tsy dia nila fikarakarana loatra tao Madagasikara. Ny tany volkanika no tena naniriany betsaka tamin’izany toy i Betafo sy i Fort Dauphin ka mazava ho azy fa ao no misy ny mpanjifa izany tamin’ny androny raha ny tantara. Nanamboatra tady tamin’ny rongony mihitsy aza ry zareo sakalava. Nisy fambolena azy kosa tao Ilempona ary namidy tany amin’ny tsena Asabotsy-Tsiafahy izay isan’ny Faritra Vakinisisaony ary ry zareo Zafimbazaha no tena mpividy azy.
Nandrary Rongony natao akanjo tokoa ry zareo Zafimbazaha ary tena nianjaika tamin’izany ny olona tany Vakinakaratra. Nandray io karazan-damba io ho toy ny lamban’ny mahantra kosa ny foko sasany. Izay no nahatonga ny ohabolana hoe » Manankaren-tsalasala. Manao kitamby rongony ». Raha ny teto Imerina kosa, namela ny fambolena Rongony i Andrianampoinimerina izay nolovan’ny zanany Radama tamin’ny 1820. Olona 106 kosa no nanao asa fanompoana, nasain’i Ranavalona i namboly rongony tamin’ny 1828 satria lasa tena entana fanondrana nankany Grande Bretagne ilay izy hatao fidiram-bola.
Lasa fahazaran’ ny Ntaolo ny mifoka rongony taloha ary tamin’ny andron’i Andrianampoinimerina, nilaza mihitsy izy hoe ireo tandapa ny fanjakan’i Andrianamboatsimarofy (1773-1795) dia mamolavan’ny rongony hany ka indraindray manenjika alika eran’io ka tsy hainy akory hoe hantsana be miandry azy ao aloha ka hamono azy. Betsaka tokoa ny maty tamin’izany. Noho izany dia niteny i Andrianampoinimerina hoe « Rehefa mifoka rongony ianareo dia lasa misaina antsasany fotsiny. Mifoka io ravin-dava io ianareo ary miala aminareo ny sainareo. Izay no tsy itiavako an’io ».
Fady ny mifoka sy miakanjo rongony kosa ny tany Atsihanaka. Mbola nifoka niafina ny olona tao Imerina na dia efa tsy navela nifoka aza izy ireo. Nony tonga kosa i Radama II tamin’ny 1862 dia nilaza izy fa efa nifoka rongony indray mandeha ka tsy nijanona raha tsy mandra-palemileminy.
Hatramin’izao dia misy ny rongony fa fohana miafina izy satria tsy ekena eto amintsika ny fandraisana azy noho izy miteraka fikorotanana na ara-moraly na ara-piarahamonina na ara-toe-karena.
Nicole Rafalimananjara
