SocialTsidika

Mila rano fisotro madio ny Malagasy.

Mbola misotro rano maloto ny mponina any amin’ny faritra atsimon’ny nosy ankehitriny. Miteraka fahaloton’ny rano ohatra ny haintany diso tafahoatra. Ranom-potaka no sotroin’ny ankamaroan’ny olona any amin’ny faritra atsimon’ny nosy. Ankoatra ny sakafo izay efa tsy zarizary, olana goavana ho azy ireo ihany koa ny rano. Miteraka tsy fahasalaman’ny vatana anefa ny tsy fisitrahana rano fisotro madio. Mahatonga aretina maro be izany, anisan’izany ny areti-pivalanana, ny “bilharziose” sy ny maro samihafa. Misy amin’izy ireny aza iharan’ny fahafatesana mihitsy nohon’ny mikraoba efa tafahoatra loatra amin’izy ireo. Ny zaza matetika no tena iharan’izany. Nandray fanapahan-kevitra manoloana ny zava-misy ny fitondrana ka nanafatra “Machine de desalinisation” avy any ivelany. Natao izy ity mba hanatsarana ny rano fitsotro madion’ny mponina any amin’ny faritra tena ahitana olana toy ny any Androy. Sarobidy ny fisitrahana rano fisotro madio mba ho antoky ny fahasalamana tanteraka. Tsy ny ao Androy irery ihany, fa tokony hatao ny ezaka rehetra mba hialàna amin’ny mety taham-pahafatesana be loatra.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire