SocialTatitra

Allemagne : Mitory ny printsy Mohammed Ben Salman tamin’ny famonoana an’i Jamal Khashoggi ny Reporters Sans Frontières.

Nametraka fitoriana tao Allemagne mahakasika an’i Mohammed Ben Salman ny ONG Reporters sans frontières ny talata 02 martsa, hoy io ONG io. Tompon’andraikitra tamin’ny famonoana mpanao gazety saodiana iray, Jamal Khashoggi, ity manam-boninahitra ity raha ny fanambaran’io ONG io hatrany. Tsy izany ihany fa mpanohitra azy maherin’ny 30 ihany koa no nampidiriny am-ponja. Manoloana izany, nidina andam-be ny naman’i Jamal Khashoggi nandritra ny fankalazana ny tsingerin-taona nahafatesan’ity mpanao gazety saodiana ity, ny volana oktobra 2020 lasa teo. Roa taona taty aorian’ny nahafatesan’i Tompokolahy Khashoggi. Teo anoloan’ny consulat n’i Arabie Saoudite no nanaovan’ireto havana sy naman’ilay mpanao gazety ireto ny fangatahan’izy ireo hisamborana ny printsy Mohammed Ben Salman, hoy ny AFP. Roa taona izao no nahafatesan’i Khashoggi, nefa tsy mbola nisy didy nivoaka mahakasika ny tompon’antoka tamin’ny nahafatesany na ny antony mazava namonoana azy. Antony indrindra nanapahan’ny teo anivon’ny ONG Reporters Sans Frontières hevitra hampiakatra ny raharaha indray eo anivon’ny mpisolo vava amin’ny fitsarana ambony ao Karisruhe. Andrasana arak’izany izay ho valin’ny fangatahana nataon’izy ireo.

Laisser un commentaire