Mandritsara : Vehivavy bevohoka nilaozam-bady, mila vonjy
Valo volana izao ny kibon’ilay tovovavy nilaozam-badiny. Mila fanampiana izy amin’izao, na torohevitra fotsiny ihany aza. Efa nitaraina tao amin’ny onjam-peo iray ao Mandritsara izy.
« Tsy hitako intsony izay aleha. Tra-pahasembanana ny tenako kanefa bevohoka be nilaozan’ny rain-janako. Toroy Hevitra. Vonjeo re tompoko » hoy ity vehivavy ity izay nitaraina mafy. « Tsy voatery vola foana ny fifanampiana. Azontsika ihany koa ny manome hevitra azy. Mampalahelo sy mampahonena tokoa izy » hoy i Baholy, mponina ao Mandritsara. Marihina fa mpiasan’ny toeram-pisotroana iray ny rain-janany. Nanjavona tsy hita popoka hatramin’izao. Mila fanampiana avy amintsika tokoa izy. Vehivavy bevohoka be tra-pahasembanana ny tenany.
Inona no tokony ataony sy azo hanampiana azy ?
Nicole Rafalimananjara
