Lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena : Olona 2 no maty ary maro ireo naratra tamin’ny lozam-pifamoivoizana efatra
Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny lalam-pirenena ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka ny zoma 27 Aogositra 2021, miisa 4 ireo lozam-pifamoivoizana nitranga ka nitarika fafafatesan’olona 02 izany. Ny tranga iray niseho ny zoma 27 aogositra teo amin’ny lalam-pirenena faha4, teo amin’ny distrikan’Ankazobe (PK95+950). Ny Sabotsy 28 Aogositra 2021 tany amin’ny 06ora sasany, vehivavy iray no maty raha nodomin’ny fiara taxi-brousse Sprinter Mercedes tamin’iny lalam-pirenena faha4 mandalo eo amin’ny fokontany Ankazobe III, kaomina sy distrika Ankazobe. Hihazo an’Antananarivo ity fiara avy ao amin’ny kaoperativa Fifiabe no nandona an’ity vehivavy ity raha izy andeha hiampita ny arabe. Naratra mafy moa ity farany vokatr’izany ka nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly. Raha vao nahare ny zava-nitranga ny mpitandro filaminana tao amin’ny brigade d’Ankazobe dia nidina avy hatrany teny an-toerana nanao ny fanadihadihana. Notazomina ilay mpamily fiara ary nesorina tamin’ny fahazahoan-dalàna hitondra (permis de conduire), ilay fiara kosa nampidirina « fourrière » mandritra ny 10 andro.
Lozam-pifamoivoizana iray hafa ihany koa no nitranga ny sabotsy 28 Aogositra 2021 tany amin’ny 6ora40 maraina, tao amin’ny kaomina Ambohimangakely, lalam-pirenena faha-2 (PK09+600). Avy any Ankadindambo hihazo an’Ambohimangakely, mpitondra moto iray no nianjera teny ambonin’ny moto-ny ihany raha hiditra ny fiolanana Ambaniandrefana, fokontany Antanambao, noho ny hafainganam-pandeha tafahoatra. Maty vokatr’izany ity mpitondra moto izay tsy nanao fiarovan-doha (casque) akory. Ilay moto kosa anefa tsy dia nahitana fahasimbana be. Mponina ao Ambohimangakely ity olona maty ity, tao aorian’ny fanadihadihana nataon’ny mpitandro filaminana dia napetraka tao amin’ny tranom-paty ny hopitaly Ambohimangakely ny razana.
Ny andro ny sabotsy io ihany dia nitrangana lozam-pifamoivoizana hafa ihany koa teo amin’ny lalana mampifandray an’Ambohimalaza sy Anjeva Gare, distrika Antananarivo Avaradrano. Moto roa no nifandoana tamin’izany. Ary miisa 3 ireo naratra vokatry ny loza. Araka ny fanadihadihana nataon’ny mpitandro filaminana, tsy fitandremana avy amin’ny mpamily no nahatonga izao loza izao.
Lozam-pifamoivoizana iray hafa ihany koa, niseho ny zoma 27 aogositra 2021 teny amin’ny lalana mampitohy an’i Talatamaty sy Ivato. Moto scooter iray no nandona vahivavy iray, 50taona, raha izy andeha hiampita ny arabe. Naratra mafy vokatr’izany ireto farany ka nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy-Andrianavalona. Efa mandeha eny amin’ny zandarimarian’Mandrosoa ny fanadihadihana.
Tokony hitandrina hatrany isika tsirairay na izany ny mpamily fiara na moto na ny mpandeha an-tongotra tsotra hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Lahi-tokana ny aina ka tokony hitandrina ny tsirairay eny amin’ny arabe na eny amin’ny lalam-pirenena.
Sitraka Rajaonarivony
