Hentitra ny Minisitry ny Fitsarana
An isan’ireo sehatra mitana ny laharana voalohany amin’ny resaka kolikoly ny eo anivon’ny fitsarana. Mbola mila hezaka ny fanarenana sy ny fanafoana izany.
Raha nanao ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety ny Minisitra vaoavao Imbiky Herilaza dia nanambara fa « hisy ny fanovana ny fomba fiasa ho hentina hanatsarana sy hanarenana indray ny laza ratsy azon’ny fitsarana nandritry ny fotoana maro izay ».
Marihina fa ho atao ny faran’ny volana Aogositra izao ny fifaninanana fiodinana voalony handraisana Mpitsara miisa zato mahery ao amin’ny sekoly ambony ENMG. Ity fifaninana ho fidirana ho mpitsara ity izay raha tsiahivina dia niato ary tsy nisy itsony tao aorian’ny taona 2018, izay nahatratrarana kolikoly ka nitarika ny fanafoanana ny valim-panadinana. Amin’ity taona 2021 indray izany vao isy ity fanadinam-panjakana ity raha niato nandritry ny roa taona, « hisy indroa miantona ity fanadinana ity »amin’ity taona ity raha ny nambaran’ny Minisitra teo aloha. « Tokony asiana fijerevana manokana ireo mpiadina tamin’iny fifaninanana taona 2018 iny satria nisy ny fampanantenana fa ho averina ilay fifaninana ary atao ao anatin’ny mangarahara anefa toa nodiana tsy tadidy no tsy naharenesana tohiny intsony taty aoriana » raha nanambara mazava ny heviny i Rindra, mpifaninana ho mpitsara ny taona 2018.
Nilaza ny Minisitry ny fitsarana ankehitriny fa « ho asina fanaraha-maso akaiky manomboka eto ny fifaninana izay hidirana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha ao amin’ny ENMG mba hangarahara sy ho lavity ny kolikoly ». Tafiditra tao anatin’ny fanambarany ihany koa ny hoe « tsy maintsy ho saziana ireo mpiasan’ny fitsarana sahy mandika lalana sy tsy mavita an-tsakany sy an-davany ny asa iandraiketany, ary homena valisoa kosa ireo izay mahavita ny fanamby sy ny raharaha ankinina aminy ».
Ny Minisitry ny fitsarana ankehitriny izay efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena alohan’ny naha voatendry azy ho Minisitra izao, anisan’izany ny maha Loholona azy. Fantatra ihany koa fa zanak’i Imbiky Anaclet, izay efa Minisitry ny Fitsarana tamin’izany andro izany koa izy.
Ho voafehy tokoa ve ny resaka kolikoly eny anivon’ny Fitsarana ?
Fanja Rakotoarisoa
