Lalana sy fifamoivoizana: Hatraiza ny anjara asan’ny mpanampy ny mpamily
Manahirana ny fifampitondrana anaty fiara fitateram-bahoaka amin’izao fotoana. Asa angah raha noho ny andro mafana na ny adim-piainana efa sarotra fa dia matetika no ahitana olona mitaraina noho ny fomba fiasan’ny mpanampy ny mpamily any anaty tambajotran-tserasera. Inona moa ilay tena ataon’izy ireo? Malaza tsy mamerim-bola, mikitakita ny mpandeha na mandrahona mihitsy aza indraindray, manandrakandrana mitondra fiara, kanefa ity farany mampidi-doza.
Hatraiza marina ny tena anjara asan’ny mpanampy mpamily? Misy amin’izy ireny raha vao tenenin’ireo mpandeha na ampatsiahivina amin’ny zavatra ataony dia mahay vava avy hatrany. Voatery milefitra hatrany ny mpandeha ao anatin’izany. Iza araka izany no tokony hiteny na hampitandrina azy ireny mba hisian’ny rariny sy ny hitsiny? Mba hisy fiaraha-monina milamina any anatin’ny fiara fitateram-bahoaka.
