ActualitésTsidika

Harena an-kibon’ny tany : Nolanian’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna vaovao mifehy izany

Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ireto Solombavam-bahoaka ireto ny lalàna mahakasika ny harena an-kibon’ny tany mandritra ity fivoriana ara-potoana voalohany ity. Araka izany dia miisa 40 izy ireo no nandany ity lalàna vaovao izay nasiam-panitsiana ity. Izany dia miakasika ny fanavaozana ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany na ny « code minier ».

« Ahitana andinin-dalàna miisa 434 ity fehezan-dalàna vaovao ity izay mitsinjara amin’ny lohateny miisa 7. Nasiam-panovana sy fanitsiana ny teo anivon’ny solombavambahoaka, ny andininy miisa 41 amin’ireo, nandritra ny fivoriana azon’ny be sy ny maro natrehana. Anisan’ny nandany ny fotoana betsaka indrindra ny andininy faha-283, momba ny saram-panjakana sy ny tamberina amin’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany », hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena.

Araka izany dia nampiakarina ho 5% ny tamberina amin’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany (produits des valeurs des mines à exportation) raha 2% izany tamin’ny lalàna teo aloha. Raha ho an’ny fitsinjarana io tamberina io kosa dia nampiakarina ho 2% ny anjaran’ny vondrom-bahoakam-paritra ary ny 3% no hirotsaka ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. « Tokony tsy hisy intsony ny olana raha eken’ny Filoham-pirenena ity lalàna vaovao ity satria efa tafiditra aoa anatin’izany avokoa ny sampan-draharaha manodidina ny fanondranana rehetra », hoy ny Solontenan’ireo Solombavambahoaka.

Ankoatra ity lalàna ity anefa dia misedra olana hafa ihany koa ireo mpisehatra any amin’ny faritra ahitana fitrandrahana any. Notaterin’ireo Solomnavambahoaka izany ka tsy maintsy hikaroham-bahaolana ihany koa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire