Ankadikely Ilafy : Mila jerena ny momba ireo toeram-piantsonana miteraka toham-boivoy
Niteraka fimenomenomana teo amin’ireo mponina sy mpampiasa ny lalana amin’ny lalam-pirenena fahatelo, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny mahakasika ny fitohanan’ny fiara amin’ny lalana ao an-toerana. Mila jerena sy fandraisana fepetra ny mahakasika ny toham-boivoy, izay vokatry ny fijanon’ireo fiara ela eo amin’ny toeram-piantsonana, raha ny voalaza.
« Efa maro ny fitarainana izay nalefa tamin’ny tompon’andraikitra mahakasika ity fitohanana ity izay tena mamely, indrindra rehefa andro alakamisy sy sabotsy, fa tsy mbola nisy ny fandraisana fepetra hatramin’izao » hoy i Tahiana, mponina ao Ankadikely Ilafy.
« Ireo karazana fiara avy amin’ireo zotra samihafa izay mijanona ela eo amin’ny toeram-piantsonana no tena hita mahatonga ny fitohanana. Tena misy amin’izy ireo tena mijanonana ela loatra ka sady manery lalana no miteraka fitohanana eto » hoy i Lanto, mpandeha fiara fitateram-bahoaka.
Mila fandraisana fepetra sy fandaminana avy amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny araka izany ny fandaminana mahakasika ity toham-boivoy eto Ankadikely Ilafy, izay efa mampitaraina ny mponina efa hatramin’ny ela ity. Mila fandraisana andraikitra, manomboka any amin’ny kaominina izany, ka hatrany amin’ny koperativa isan-tsokajiny.
Manitra Ramanantsoa
