ActualitésTatitra

Etats-Unis : Voaheloka ho faty ilay lehilahy « transgenre » nanolana sy namono vehivavy iray tao Missouri

Lehilahy nivadika vehivavy (transgenre) iray antsoina hoe Scott McLaughlin no nanolana sy nitsatok’antsy ary nanakenda vehivavy iray nantsoina hoe Beverly Guenther, 45 taona tao Saint-Louis, Missouri tamin’ny 20 novambra 2003. Taorian’izany dia narian’io lehilahy io tao amin’ny renirano Mississippi ny razan’ilay vehivavy.

Efa nanara-maso an’i Beverly Guenther nandritra ny herinandro maromaro io lehilahy talohan’ny namonoany azy. Tamin’ny andron’ny loza dia nandrasany teo ivelan’ny toeram-piasany io vehivavy io. Nohelohina higadra 30 taona an-tranomaizina i Scott McLaughlin manoloana izany heloka bevava nataony izany. Voaheloka ho faty kosa izy ny taona 2006 manoloana ny trangam-panolanana nataony ny taona 1992.

Hotontosaina amin’ny talata izao noho izany ny fanamelohana ho faty an’i Scott McLaughlin. Marihana fa efa niova anarana Amber McLaughlin tany am-ponja io lehilahy io saingy mbola tao amin’ny fonjan-dehilahy tao Posoti, Saint-Louis izy no nohazonina.

Laisser un commentaire