PolitiqueTatitra

Costa Rica : Voafidy ho filoham-pirenena i Rodrigo Chaves

Voafidy ho filoham-pirenena tao Costa Rica ny alahady teo ilay mpandala ny nentin-drazana, Rodrigo Chaves, tompon’andraikitra tao amin’ny banky iraisam-pirenena teo aloha. Hitondra efa-taona ny firenena milamina indrindra ao Amérique Latine, saingy firenena lasibatry ny krizy ara-toe-karena sy ara-tsosialy ihany koa.Naharesy tamin’ny 52,9% ny vato i Rodrigo Chaves raha 47,1% ny vato azon’ilay mpifanandrina taminy. « Nifidy i Costa Rica, ary niteny ny vahoaka. Amin’ny maha-demokraty anay dia manaja izany fanapahan-kevitr’izy ireo izany izahay ka miarahaba ny filoha Rodrigo Chaves ny tenako » hoy ny filoha teo aloha José Maria Figueres.

Laisser un commentaire