Dépêches

Tontolo iainana : Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina amin’ny fametrahana sy fikojakojana fitaovana fampangatsiahana mandeha amin’ny Propane (R-290)

05 Aprily, 10h00. Tontosa ny faran’ny herinandro ny fanamafisana ny traikefan’ireo teknisianina mpikirakira fampangatsiahana (climatiseur) izay tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny dingana voalohany amin’ny fanafoanana ny Hydrochlorofluorocarbures (HCFC) amin’ireo fitaovana fampangatsiahana eto Madagasikara. Tanjona tamin’io fampiofanana io ny fahafahan’ireo teknisianina mifehy ny fampiasana ny Propane R-290 izay hasolo ny HCFC izau mamotika ny sosona ozona ary miteraka fiakaran’ny maripana.

Laisser un commentaire