ActualitésTatitra

Chine : Hiala tamin’ny toerany i Carrie Lam

Nanao fanambarana ny praiministra ao Hong Kong, Carrie Lam ny alatsinainy teo fa hiala amin’ny toerany izy ny volana jona izao. Antony ireo fihetsiketsehina goavana maro nataon’ny mpomba ny demokrasia nandritra ny fotoam-pitondrany sy ny fahatapahan’ny fifandraisan’ny Hong Kong tamin’izao tontolo izao noho ny covid-19.Nanazava izy fa tsy haka fe-potoam-pitondrana faharoa intsony amin’ny volana mey izao. « Ho faranako amin’ny fomba ofisialy ny 30 jona ny 42 taona izao niasako tao amin’ny governemanta » hoy Carrie Lam nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety.Nanamafy ity lehiben’ny, mpanatanteraka 64 taona ity fa efa nampilaza mialoha ireo mpitantan’i Pékin ny volana martsa 2021 teo izay nankatoa ny fanampahan-keviny. Marihina vehivavy voalohany nitantana an’i Hong Kong i Carrie Lam nanomboka ny taona 2017.

Laisser un commentaire