ActualitésTsidika

Andro ratsy : Nahemotra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny homamiadana 

Nahemotra ho amin’ny fotoana izay mbola tsy voafaritra ny andro fankalazana iraisam-pirenenan’ny homamiadana. Ny 4 febroary no nokasana hanatanterahana izany.

« Noho ny fahatongavan’ny rivodoza Batsirai no tsy maintsy hanemorana ny andro fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho fiadiana amin’ny homamiadana. Izany no tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Ministra » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalam-bahoaka. « Tokony nisy ny fifanaovan-tsoniam-pifanarahana tamin’ity andro ity. Izany Dia mikasika ny famatsiam-bola ho an’ny vahoaka eo amin’ny Famatsiam-bola iraisam-pirenena sy ny vadin’ny filoham-pirenena » hoy ny tompon’andraikitra.

« Mbola maro ny olona miady amin’ny homamiadana amin’izao, indrindra ny vehivavy. Mila mifanohana sy mifankahery isika  » hoy i Tiana, mpitsabo. Mizotra mianandrefana ny lalan’ny rivodoza amin’izao raha toa mahatratra 514 km isan’ora ny diany. Tsara raha mitandrina mandrakariva isika na dia somary mbola mafana aza ny andro eto an-drenivohitra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire