Fahasalamana : Betsaka ny tombontsoa avy amin’ny garana
Manampy betsaka amin’ny fahasalamana ny fihinanana garana noho izy betsaka vitamine A sy C. Misy potassium, calcium, magnésium, fer ary fibre ihany koa izy. Tsara sy mety be ho an’ny olona diabetika ihany koa ny garana.
Fata-daza amin’ny fampidinana tosi-dra ny garana. Tsara ho an’ny olona ambony tosi-dra izy noho izany. Mampidina ny rarintsaina ny garana. Tsara ho an’ny fo sy ny lalan-drà ary mampikoriana rà tsara ny garana. Miaro amin’ny homamiadana ihany koa izy sy amin’ny aretina amin’ny taovam-pisefoana. Manampy amin’ny torimaso sy amin’ny fandevinan-kanina ihany koa izy. Mbola maro ny tombontsoa omen’ny garana amin’ny fahasalamantsika. Sady azo hohanina amin’izao no azoatao ranom-boakazo ny garana.
Nicole Rafalimananjara
