Ankadikely Ilafy : Nizotra tsara ny fanatanterahana ny « tsena mora »
Nisy tsena mora tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny 3 febroary lasa teo. Nizotra antsakany sy andavany ny fanatanterahana izany tao amin’ny fokontany Manjaka.
« Misaotra sy mankasitraka hatrany ny fitondram-panjakana amin’ny famerenana indray ny Tsena mora. Tena mitsinjo ny vahoaka tokoa ity tsena mora ity manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana » hoy ny ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy.
« Tena manampy betsaka amin’ny kojakoja ilaina amin’ny andavanandro ny tsena mora. Ny vary izao tena tsy mitsahatra miakatra ny vidiny » hoy i Haja, mponina ao Manjaka Ilafy. « Tena ilaina ilay tsena mora. Tsara kosa raha mba hanaraka ny kalitao ny vokatra fa tsy sanatria entana tsy lany na vary efa misy fofona » hoy i Fidy, tantsaha monina ao Ankadikely Ilafy.
Tsy hijanona hatreo akory ny fisian’ny tsena mora. Ampitaina araky ny fandaminana voarain’ny kaominina ny tetiandro manaraka.
Nicole Rafalimananjara
