ActualitésTsidika

Covid-19 : Nahazo « Lovenox » avy amin’ny Usaid i Madagasikara

Nahazo tsindrona « Lovenox » mitentina 144 000 200 Ariary avy amin’ny Governemantan’i Etats-Unis tamin’ny alalan’ny Usaid sy ny tetik’asa Impact ny firenena Malagasy. Izany dia ho entina hantsarana ny fahasalamana amin’ny fandraisana an-tanana ireo olona marary ny covid-19.

« Ireo marary maneho ny tranga fahasarotana no tena mila ity Lovenox ity. Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny velirano fahadimy izay hanomezana fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona » hoy ny talen’ny kabinetran’ny Ministeran’ny « ahasalamam-bahoaka. « Ady iraisana ny ady amin’ny covid-19. Mila fiarovana ny vahoaka manoloana ity valan’aretina ity » hoy ny solontenan’ny governemantan’i Etats-Unis.

« Tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany ny rehetra. Tsy voatery hiandry ny fanjakana foana akory. Ny fanajana ny fepetra dia isan’ny fitandremana amin’izany » hoy i Hillary, mpianatra ho mpitsabo eny anivon’ny anjerimanontolo.

Mbola ao anatin’ny ady amin’ny covid-19 isika eto Madagasikara amin’izao. Ny fanaovam-bakisny dia isan’ny fiarovana iray tsy hahatongavana amin’ny fahasarotana. Ity farany izay mity hitarika hatramin’ny fahafatesana raha tsy mitandrina tsara. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire