Port-Bergé: Voafidy ho filohan’ny hitarika ny « Plateformes » ho an’ny tanora i Nasaina Ratsitohaina
07 Febroary, 08h00. Tontosa ny 06 febroary 2022 tao amin’ny Distrikan’i Port Bergé ny fifidianana izay hitarika ny « Palteformes des jeunes de Port-Bergé ». Voafidy nandritra izany i Nasaina Ratsitohaina izay lany tamin’isam-bato 18 amin’ireo solontenam-pikambanan’ny tanora 26. Tao anati’nny mangarahara hatrany no nanatanterahana ny fifidianana.
