Famindram-pitantanana arakasa teo anivon’ny hery vonjy taitra ny Zandarimariam-pirenena Fort-Duchesne
24 Novambra, 10h00. Notontosaina ny 22 novambra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’andriamatoa jeneraly Mamelison Mbina Nonos komandy teo aloha ny Hery vonjy taitra sy ny kolonely JaotinA Barijaona Germain komandy vaovao. Nivoitra tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo lehibe ny fanomezana toromarika sy anatranatra ho fanatsarana ny asa sahanin’ny zandarimariam-pirenena.
