Dépêches

Kaominina Antananarivo Renivohitra: Miara-miasa tanteraka amin’ny Fondation VISEO

Dépêche 09 décembre, 11h, Miroso ary mandeha araka ny tokony ho izy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fondation VISEO. Nanolotra fiara lehibe ity farany hanampiana ny kaominina amin’ny fitantanana sy fandaminana ny fako ary indrindra hamenoana ny fitaovana hampiasain’ny SMA. Etsy andaniny anefa dia nanolotra solosaina miisa 42 ihany koa ity Fondation VISEO ity ho an’ireo boriborintany enina. Ny tanjona amin’izany mba ahafahana manamora ny fikarakarana ny fomba fitantanan-draharaha ho an’ny mponin’Antananarivo ary hirosoana tsikelikely any amin’ny nomerika sy ny informatika.

Laisser un commentaire