Nitrangana doro-tanety ny tananàn’ny Fararazana Tampoketsa.
10 Septambra, 10h10. Tokony ho tamin’ny iray ora tolak’andro teo ho eo no nitranga ny loza tany amin’ny faritra Fararazana Tampoketsa. Araka ny fanazavan’ny nanatri-maso dia toa tsy naha-taitra ny mponina teny an-toerana ny zava-nitranga. Olona miisa efatra izay sendra nandalo teny an-toerana no naira-nisalahy namono ny afo.
