Nosakànan’ireo polisy monisipaly ireo bisikileta tsy nanara-dalàna teo Anosibe omaly ka nalainy.
10 Septambra, 09h30. Maro ireo bisikileta mitatitra olona sy mivezivezy isak’hariva eo Anosibe, tahaka ny nanenjehana ny taxi moto dia nenjehana ihany koa izy ireny omaly hariva tokotokony ho tamin’ny enina teo ho eo.
