Dépêches

Fifandraisana Madagasikara – Japon : Hahazo tombony ireo mpankafy sarimihetsika japonais

Dépêche 3 novembre, 16h, Feno 60 taona amin’ity taona ity ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Japonais. Hanolotra andro iray hahafahana mijery sarimihetsika japonais maimaim-poana ny masoivohon’i Japon hanamarihana izany fotoana izany. Sarimihetsika miisa 3 no ho hita ao amin’ny Cinepax Ambodivona ny asabotsy 5 novambra izao. Maimaim-poana avokoa ny hetsika rehetra ary mandritra ny tontolo andro. Ho hita ao araka izany ny « Jujutsu kaisen 0 » amin’ny 10 ora maraina, « One piece film red » amin’ny 2 ora tolak’andro ary « Dragon ball super super hero » amin’ny 4 ora hariva.

Laisser un commentaire