Alasora : Nametraka vata mpanova herinaratra ao amin’ny fokontany Mahatsinjo ny Jirama
Hatramin’ny talata tolak’andro lasa teo no nametraka ny vata mpanova herinaratra (transformateur) ao amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina Alasora, ireo teknisianina avy ao amin’ny orinasa jirama. Mbola manjaka ny fahatapatapahan-jiro miverimberina ao anatin’ny kaominina Alasora, izay mampitaraina ny mponina. Ankoatra izay, ambany ihany koa ny tanjaky ny herinaratra ao an-toerana.
« Manantena hatrany ny mponina ny amin’ny fihenanan’ny fahatahan-jiro, mba hisy vokany ny ezaka sy ny asa ataon’ireo teknisianina. Indrindra amin ‘izao fotoana izao, tena manimba ireo fitaovana ato an-tokatrano ny fahatapahan-jiro matetika io sy ny fihenan’ny tanjaky ny herinaratra miasa ety » hoy i Sahondra, mponina ao Alasora.
« Ilaina tokoa ny ezaka amin’ny fanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa tahaka izao. Tokony hifamaly amin’izay asa sy ezaka izay ny vokatry ny fametrahana vata mpanova herinaratra tahaka izao, indrindra ny famatsiana ny herinatra eto an-toerana sy ny manodidina » hoy i Tovo, mpianatry eny Vontovorona.
Anisan’ny mampitaraina ny mponina maro, ankoatra ny fahatapatapahan-jiro ny filatsaky ny tanjaky ny herinaratra ho ambany dia ambany. Anisan’ny manimba ireo fitaovana fampiasa ao an-tokatrano maro izany. Hirariana araka izany mba hitondra fiovana ary handrindra ny herinaratra miasa ao anatin’ity fokontany ny fametrahana ity fitaovana ity.
Manitra Ramanantsoa
