ActualitésTatitra

Etats-unis : Tafiakatra 107 isa ireo matin’ny Ouragan Ian

Nandoza ny fandalovan’ny Ouragan Ian tao Etats-unis ny faraparan’ny volana septambra teo. Raha ny tatitrin’ny manam-pahefana tao an-toerana ny fiandohan’ny herinandro teo dia tafiakatra 107 ny isan’ireo namoy ny ainy noho io loza voajanahary.

I Floride no tena voakasika betsaka tamin’io andro ratsy io. 102 tamin’ireo namoy ny ainy noho izany dia tao an-toerana avokoa. Tao Caroline du Nord kosa ireo olona 5 hafa maty raha ny voalazan’ireo mpitsabo.

Isan’ireo andro ratsy nandoza indrindra namely an’i Etats-unis taorian’ny Katrina ny Ouragan Ian. Raha tsiahivina dia nandrava an’i Louisiane ny fandalovan’io andro ratsy io ary nahafaty olona 1 800 tamin’ny taona 2005.

Laisser un commentaire