Afrique du Sud : Université du Cap, anjerimanontolo mendrika indrindra aty Afrique
Isan’ireo anjerimanontolo mendrika indrindra aty Afrique ny Université du Cap. Oniveristem-panjakana ao Afrique du Sud izy io izay ao amin’ny Cap, faritanin’i Cap-Occidental. Io anjerimanontolo io ihany koa no ela nisiana indrindra tao amin’ny firenena izay niforona tamin’ny taona 1829 ary nitondra ny anarana hoe South African College.
Tany am-piandohana dia natokana ho an’ny zazalahy io toeram-pianarana io. Tamin’ny taona 1874 vao nasiam-panovana tao an-toerana, natokana ho an’ny anjerimanontolony fampiarana « troisième cycle » raha nato tany amin’ny kolejy kosa ny « cycle » roa voalohany. Tany amin’ny taona 1886 kosa vao nandray vehivavy ny anjerimanontolo, isan’ireo vehivavy fahaefatra nisoratra anarana tao amin’izany i Maria Emmeline Buchanan Barnard Fuller izay vehivavy voalohany mpikamban’ny filankevi-pitantanan’ny oniversite.
