Japon : « Lapin des Ryukyu », bitrovoalavo ara-bakiteny
Ny « Lapin des Ryukyu » antsoina ihany koa hoe « lapin des îles Amami » dia karazana bitro « Pentalagus». Ao amin’ny nosy roa any atsimo andrefan’i Japon irery ihany no misy azy dia ny nosy Amami Ō-shima sy Tokuno-shima.
Miaina toy ny bitro rehetra ny « Lapin des Ryukyu » saingy miaina amin’ny alina kokoa izy. Ao anaty lavaka izy no monina ary mihinana sakafo maitso. Fohy kokoa ny sofiny mihoatra ny an’ireo bitro hafa, lava ny hohony ary iray amin’ireo karazam-bitro roa manana feo maranitra izy.
Biby arovana ny « Lapin des îles Amami », tsy azo hazaina izy, ary tsy azo hohanina.
