Diana : 21 km ny lalana vita ao amin’ny kaominina Antsirabe, distrika’Ambanja
19 Jolay, 14h00 21 km no efa vita amin’ny lalana 35 km amboarina ao amin’ny kaominina Antsirabe, distrikan’Ambanja, faritra Diana. Fokontany 16 no ampifandraisin’io lalana io izay tsy niasa hatrany amin’ny repoblika faharoa. Sakana amin’ny famoaham-bokatra an-taonany maro tao an-toerana ny fahatsian’ny lalana. Mitazona ny laharana voalohany amin’ny habetsaka sy kalitaon’ny vokatra lavanilina nefa i Antsirabe amin’ity taom-piotazana 2022 ity.
Manoloana izany dia hosokafana indray ny lalana amin’ny alalan’ny asa ataon’ny goverinora Daodo Arona Marisiky.
