Dépêches

Mahajanga : Maherin’ny 3 000 ireo nisoratra anarana hisitraka ny programa « tany iray, trano iray »

Dépêche 17 novembre, 16h, Miisa 3016 ireo olona misoratra anarana mangataka hisitraka ny faahzoana tany ao Ampaharihy Mahitsy ao Mahajanga. Manoloana izany anefa dia tany miisa 857 ihany no afaka atolotry ny fanjakana. Amin’ny alalan’ny fisarihana no hisafidianana izay hahazo izany tany izany ary ampahibemaso no hanaovana azy ka aorian’izay vao hisy ny fifanarahana. Maro ny fepetra takiana vao afaka hisitraka izany tany izany anefa ireo mponina ireo, anisan’izany ny mbola tsy fananana tany sy ny fanaporofoana fa tena mponina ao Mahajanga mihitsy. Ilaina ny fitakiana ny fangaraharana noho izany mba tsy hisian’ny fifanolanana rehefa avy eo.

Laisser un commentaire