ActualitésTsidika

Alasora: Misy ny fikambanana manome fiofanana amin’ny fanamboarana savony

Anisan’ny manampy ireo mponina, indrindra fa ny tanora ao amin’ny kaominina Alasora sy ny manodidina ny fisian’ny fikambanana “association M’a vitrika” izay manome fiofanana mahakasika ny fanamboarana savony. Tsy ny fanamboarana savony ihany anefa no ataon’ny fikambanana, fa misy ihany koa ny fiofanana mahakasika ny zaitra, ny fandrahoana sakafo sy ny maro hafa.

“Amin’izao fotoana izao, misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fiofanana amin’ny fanamboarana savony ato amin’ny fikambanana, izay hahaizana manamboatra ny savony fanasana lamba sy ranon-tsavony fanasana ny lovia” hoy ireo tomponandraikitra. “15000ariary ny sarany aloha ary ny toerana hiofanana dia ao amin’ny fokontany Amboaroy Alasora, izay manomboka amin’ny alatsinainy 21 ho avy izao” hoy hatrany ireo tomponandraikitra.

Maro ireo tanora no nahita tombotsoa tamin’ny fanarahana fiofanana amin’ny sehatra toy izao. Anisan’ny manampy amin’ny fanaovana vadin’asa na fandraharahana ny fahazaina zavatra hafa ankoatra ny fianarana izao atao any am-pianarana.

 Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire