Sofia: Mitana ny laharana faharoa amin’ny isan’ny mararin’ny COVID
Miisa 122 ireo voatily fa mitondra ny tsimok’aretina COVID-19 ary manaraka fitsaboana ao amin’ny faritra Sofia. Laharana faharoa eto Madagasikara aorian’ny faritra Analamanga amin’ny fahabetsahan’ny mararin’ny COVID izy noho izany. “122 ireo voatily ka voamarina fa mitondra aretina Covid-19 ary manaraka fitsaboana ato amin’ny faritra Sofia ankehitriny . Olona 05 no efa namoy ny ainy ny volana janoary 2022 teo . Laharana faha-02 eto Madagasikara amin’ny habetsaky ny olona tratrany valan’aretina ny faritra Sofia » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. “Goragora loatra ny fampiharana ireo fepetra sakana ara-pahasalamana. Hamafisinina noho izany ny fanarahamaso amin’ireo fepetra napetraka toy ny fanaovana arovava. Mbola voarara ihany koa ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 100” hoy ny avy ao amin’ny sampam-pibaikoana miady amin’ny COVID-19 ao amin’ny faritra Sofia. Tsy mbola misy ny fanafody voatokana hitsaboana ny COVID amin’izao. Anisan’ny fiarovan-tena natolotr’ireo manam-pahaizana tsy hisian’ny fahasarotana anefa ny Vaksiny eo ihany koa ny fanajana ny fepetra sakana.
