Rugby : Hatao vaksiny ireo mpilalao hiady ny tompon-daka eran-tany sy ny tompondakan’Afrika.
02 Fevrier, 11h00. Hisy ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny COVID-19 ho an’ireo mpilalao ekipam-pirenena « Makis à 7 » lahy sy vavy ary ireo « Makis U20 » hiatrika ny lalao fifanitsanana tompon-daka eran-tany sy ny tompon-dakan’Afrika rahampitso. Tontosaina eny amin’ny Centre de formation Makis Andohatapenaka manomboka androany amin’ny roa ora sy sasany izany.
