Ambatondrazaka: Rangahy nahavita nanatsatok’antsy ny vadiny
29 Aprily, 11h00. Renim-pianakaviana 35 taona no maty tsy tra-drano notsatohan’ny vadiny antsy teo amin’ny foto-tsofiny ankavia ny alin’ny alarobia 27 aprily 2022 tao Manakambola Ambatondrazaka. Nandriaka ny ra tao an-trano ary nandositra rangahy. Mbola tsy fantatra mazava ny anton’izao vono izao fa efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
