Barea A’ : Notoloran’ny FMF « prime de performances »
Dépêche 17 février, 13h, Mitentina 150 tapitrisa Ariary ny vola natolotry ny FMF ireo Barea A’, na ny Barea CHAN izany. Prime de performances ity natolotra ity ary ireo mpilalao sy staff technique dia samy hahazo ny anjarany avokoa ao anatin’izany rehetra izany. Ho fankasitrahana ny zava-bitan’izy ireo nandritra ny dingana nolalovany nandritra ny CHAN 2022 natao tany Alzeria farany teo ity natolotra ity.
