Seychelles : Mihamiakatra ny taham-pangatahana « cannelle »
Raha 1 taonina ny « écorce de cannelle » nahondran’i Seychelles ny taona 2020 teo dia tafiakatra 9 taonina izany ny taona 2021. Mpamatsy vola vaovao manodidina ny 20 isa ihany koa amin’izao fotoana no liana amin’io seham-pambolena io.
Isany ireo mpanfika betsaka io vokatra io ireo « confiseurs » sy mpanao mofo avy ao Belgique, Allemagne, Amérique ary indrindra ny Anglo-Saxons. Isany ireo mpifaninana eo amin’ny lafiny famokarana kosa i Indonésie, Chine, Madagascar, Vietnam ary Sri-Lanka. Marihana fa mahazo fanohanana avy amin’ny fanjakana ny mpamboly « cannelle » ao Seychelles. Manofa tany 22 000m² amin’ny fanjakana izy ireo hampiroboroboiny ny vokatra amin’ny sandany 400 Euros monja isaky ny telo volana.
Raha tsiahivina kosa dia ny governora mpanjanaka iray antsoina hoe Pierre Poivre no nampiditra ny fambolena « cannelle » tao Seychelles tany amin’ny taonjato faha-18 tany.
