ActualitésTatitra

France : Tovolahy 17 taona no nisy nitsatoka antsy teo ampiandrasana fiara fitanteram-bahoaka

Tovolahy 17 taona no nisy nitsatoka antsy tao amin’ny lamosiny teo ampiandrasana fiara fitanteram-bahoaka. Tao amin’ny alan’i Villaroy, tao Guyancourt, Yvelines no niseho ny tranga ny faran’ny herinandro teo.

Raha ny fantatra dia mpanao andran’asa tao amin’ny toerana fivarotana finday iray io tovolahy io. Niandry fiara andeha hody izy tamin’nny fotoana nisehoan’ny loza. Lehilahy iray tsy fatany no nitsatoka antsy indroa tao amin’ny lamosiny talohan’ny nitsoahany.

Niverina tao amin’ny toeram-piasany izy taorian’izany ary ny mpampiasa azy no niantso ny mpamonjy voina. Tsy nanana olana tamin’iza na iza io tovolahy io raha ny fanazavana ary heverin’ireo mpanadihady fa nitsatotsatoka izay olona nasiana fotsiny io olona nitsatoka antsy an’ilay tovolahy io.

Laisser un commentaire