ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tantsaha mpamboly an-jatony no nozaraina zezika sy masomboly voafantina

Nisy ny fizarana zezika sy masomboly ho an’ireo tantsaha ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny faran’nu herinandro teo. Mpamboly avy ao amin’ny fokontany miisa enina tao an-toerana no nahazo izany, dia avy amin’ny fokontany Ambohibe, Manazary, Belanitra, Ambohipanja, Ankadikely ary Antanandrano, araka ny voalaza.

“Masomboly voafantina milanja 09 kg sy NPK 15 Kg miampy Zezika biolojika 75 kg no nozaraina tamin’ireo tantsaha mpamboly manodidina ny 100 eto amin’ny kaominina tamin’ity andro ity. Ankoatra ny fizarana izany dia nahazo fampiofanana amin’ny fanatsarana ny seha-pihariana fambolem-bary, no nahazo ihany koa izao tosika sy fanohanana izy ireo” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“ Izao hetsika izao moa dia natao indrindra ho fantrarana ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary tafiditra indridra ao anatin’ny tetik’asa « PURPA » izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana ka hisaorana azy ireo amin’ny fanohanana sy fitondrana fanampiana ny tantsaha » hoy hatrany ny fanazavana.

Tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena izao hetsika izao. Ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana ihany koa dia mivelona amin’ny sehatry ny fambolena amin’ny ankapobeany. Tsy mitsahatra ny manao adisisika ho fanohanana ny tantsaha ireo tomponandraikitra ao an-toerana.

Laisser un commentaire