Europe : Miakatra ny isan’ny « ours » ao Pyrénées
Mbola lavitry ny isa ao Monts Cantabriques ao Espagne izay misy « ours » manodidina ny 250 i Pyrénées saingy efa hita fa mitombo an’isa izany. Raha ny tatitry ny antontan’iasan’ny taona 2021 nataon’ny OFB (Office de la Biodiversité) dia nahitana « ours » 70 tao Pyrénées, tamin’ny velaran-tany 6 500 kilometatra toradroa.Raha ny voalazan’ny « Association Adet-Pays de l’Ours » kosa dia latsaky ny 10 taona ny 80% ireo biby ireo ary samy maro na ny lahy na ny vavy. Marihina fa ao anatin’ny lisitry ny biby arovana hatramin’ny taona 1971 ny « ours brun », mahatratra hatramin’ny 8 000 euros ny lamandy aloha amin’ny fikambanana nitory olona iray nampidi-doza azy raha ny tapaka tao amin’ny tribonalin’i Toulouse ny 6 martsa 2018.
