Etats-Unis : Mihamisarika misimisy kokoa ao amin’ny tahirin-tsolikany ny firenena
Mihatrika fisondrotan’ny vidim-piainana izay manimba ny lazany ny filohan’i Amérique, Joe Biden. Manoloana izany dia hisarika solika (pétrole) ao amin’ny tahirim-tsolika goavam-ben’ny firenena izy mba hampitsaharana ny fahalafosan’ny vidin’izany eny amin’ny tobin-tsolika.Nibaiko ny handrantovana 1 tapitrisa « baril » ao amin’izany tahiry izany izy ao anatin’ny enim-bolana. Io fanampahan-kevitra noraisana tao Londres io dia efa nihatra nanomboka ny alakamisy teo tao New York ary efa nampihena ny vidin’io solika antsoina hoe « or noir » io 5%.
