ActualitésTsidika

Antsiranana : 1500 Ar ny kapoakan’ny vary 

Tafiakatra 900 Ar hatramin’ny 1500 Ar ny kapoakan’ny vary any Antsiranana amin »izao fotoana izao. Voatery manafatra avy ao Antsohihy ny mponina sasany.

« Tena miakatra ny vidim-piainana. Izay afaka mividy vary any Antsohihy no manafatra any. Miaritra io vidim-bary io kosa ny hafa. Ny vary tsy maintsy hohanina ».hoy i Patrick, mponina ao Antsiranana. « Efa tena mijaly ny vahoaka. Ny manana dia manana foana eny ihany. Latsaka lalina anaty fahantrana ny vahoaka Malagasy » hoy ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra.

Maro tokoa ireo mitaraina amin’ny fiakaran’ny vidim-bary. Sakafo tsy maintsy hohanina isan’andro mnatsy ny vary kanefa tsy mitsaha-miakatra ny vidiny. Inona no vahaolana ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire