ActualitésTsidika

Tsara Tsena : Efa napetraka ny vato fototra

Tafapetraka ny vato fototra voalohany entina manorina ny Tsara Tsena, izay tsena kaominaly ao Anosy Avaratra. Hanampy betsaka ireo mponina mipetraka ao amin’ny kaominina sy ny manodidina ity tsena ity. Tsy mandeha lavitra intsony ny mpivarotra sy ny mpiantsena.

« Tsy hisahirana handeha lavitra intsony ny mponina eto an-tanàna rehefa hivarotra ny vokatra. Hisy ihany koa ny fampidiram-bola maharitra ho an’ny kaominina rehefa vita ity tsena ity » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc. « Afaka ny hiroborobo tsara ny fambolena sy ny fiompiana eto Anosy Avaratra. Efa akaiky ny toerana hivarotana ireo vokatra. Tsy hanano-sarotra ny fanapariahana izany. Tsy lavitra intsony ihany koa izahay miantsena » hoy i Fetra, mponina ao Anosy Avaratra.

Manampy betsaka amin’ny fanorenana ity tsena ity ihany koa ireo solombavambahoaka roalahy eto Avaradrano sy ny lehiben’ny Distrika. Dingana iray lehibe tokoa izao efa vita izao ary hirariana ny hahavitany hatrami’nny farany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire