ActualitésTsidika

Fanjifana : Fromage lany daty no nodorana

Fromage sy sakafo hafa ary fanampin-tsakafo no nodorana tamin’iny herinandro lasa iny. Toerana telo samihafa no nanatanterahan’ny ekipan’ny DPC ny asany ho fitsinjovana ny mpanjifa.

« Nodorana tao amin’ny orinasa iray ireo fromazy avy nakàna singa. Nazava ny valin’ny fitiliana nataon’ny ACSQDA. Tsy ara-pahasalamana ireo fromazy ireo » hoy ny avy ao amin’ny DPC. « Teny Tanjombato no nampanjariana ho lavenona ny sakafo. Tao amin’ny foibe iray ao amin’ny hopitaly Befeletanana kosa no nolevonina ny fanampin-tsakafo » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana.

Simba sy lany daty avokoa ireo fromage ireo. Mila mitandrina hatrany isika fa loza ho an’ny fahasalamana nyu sakafo lany daty.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire