ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nampiala voly ny rehetra ny fety Donakafo Betsizaraina 2023

Tontosa soa aman-tsara ny fety lehibe nokarakarain’ny ANOB avy ao Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely, ny alahady sy alatsinainin’ny pantekoty teo. Afa-po ny rehetra, samy nihanoka fety ary samy niala voly nandritra ireo andro roa nanaovana ny fankalazana, araka ny voalaza.

« Niavaka tsy toa ny fanao isan-taona ny Donakafo tamin’ity indray mitoraka ity. Maimaim-poana ny lanonana sy ny fety kanefa tena efa avo lenta ny fampisehoana sy ireo fitaovana nampiasaina nandritra izany » hoy ireo mpikarakara.

« Hisaorana ny mpikarakara fa tena nahafinaritra ny fety. Afa-po ny mponina ary tena nanome fialam-boly nentina nanadinoina ireo fahasahiranana andavan’andro. Hirariana hivoatra ary hitohy hatrany izany » hoy i Lahatra, mponina ao Betsizaraina.

Marihina moa fa maimaim-poana ity lanonana tao an-toerana ity ary ny fikambanana ANOB no nanolotra izany, nandritra ny roa andro. Ny tarika Kiaka sy ny Mage 4 dia anisan’ny nanafana ny lanonana samy naneho seho miavaka nandritra izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire