La Réunion : Lehilahy iray nanamboatra trano hazo ary nanome izany ho an’olona tsy nanan-kialofana
Lehilahy iray antsoina hoe J J Bricoleur no nandendeha tamin’ny kodiarandroa tao Saint-Leu no tafaresaka tamin’ny lehilahy tsy nanan-kialofana iray, nonina tao ambanin’ny tetezana Kélonia. Nanapa-kevitra io lehilahy io taorian’izany fa hanamboatra trano hazo kely ho an’io lehilahy io mba hitoerany.
Tany amin’ny toeram-ponenan’i J J Bricoleur tao Plaine des Cafres no nanamboarany io trano hazo io ary nateriny mivantana tany amin’ilay lehilahy tsy nanan-kialofana. Faly ity farany manoloana izany ary nankasitraka feno ny fihetsika nataon’i J J Bricoleur ny tenany. Fihetsika firaisan-kina amin’izao taona vaovao izao koa io nataon’i J J Bricoleur raha ny fanazavany.
