ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nanomboka tamin’ny fanentanana ataon’ny Raoka fako servisy

Nanomboka ny firotsahana an-tsehatra amin’ny fanentanana sy ny fandresen-dahatra ny mponina mahakasika ny fanadiovana sy ny fidiovana ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ny fokontany Gara no nisantaran’ny Raoka fako servisy izany, tamin’ny andro voalohany nanombohan’ny hetsika.

« Tontosa soa aman-tsara ny andro voalohany nanatanterahana ny fanentanana sy fandresena lahatra ireo mponina teto amin’ny fokontany Gara faritra faha 5 ato anatin’ny kaominina. Hanomboka amin’ity vola janoary ity moa ny asa » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny  Raokafako servisy.

« Anisan’ny zava-dehibe amin’ny fanovana sy ny fampandrosoana ny fanombohan’ezaka amin’ny hetsika tahaka izao, indrindra fa amin’ny resaka fako izay mila rafitra mahefa tokoa ny fandaminana sy ny fandrindrana azy » hoy i Zo, tompon’andraikitra misahana ny fanadiovana.

Ny raoka fako servisy moa raha tsiahivina dia rantsana ao anatin’ny Servisy Rano Fanadiovana Fidiovana eto anivon’ny kaominina Ambohimanambola izay misahana ny fifehezana ny fako ventiny. Aorian’izao fanombohana izao moa dia hisitraka ihany koa ny fokontany Ampahimanga sy tanjonandriana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire