ActualitésTatitra

Etats-Unis : Renibe iray no nahandro ny zafikeliny tao anaty lafaoro

Vehivavy iray antsoina hoe Carolyn Jones, 48 taona no nahandro tao anaty lafaoro ny zafikeliny, Royalty Floyd vao 20 volana monja. Tao Bolivar, ao amin’ny fanjakan’ny Mississippi no niseho io tranga io andro vitsivitsy izao. Notsahoan’io renibeny io ny antsy im-betsaka ilay zaza ary nalefany tao anaty lafaoro nandrapaha-masaka azy. Ny anadahin’io zazavavy kely tao anaty lafaoro io no nahita azy ka niantso manam-pahefana.

Rehefa tonga tao an-toerana ny manam-pahefana dia nisambotra avy hatrany an’i Carolyn Jones izay tanana am-ponja vonjimaika amin’izao fotoana. Rehefa natao kosa ny fizahana ny razan’i Royalty Floyd dia fantatrafa mbola niaina izy tamin’ny fotoana nampidiran’ny renibeny azy tao anatin’ny lafaoro. Nilaza kosa ny renin’ny zaza Veronica Jones fa olona tia ny zafikeliny i Carolyn Jones ka tsy fantany mazaka izany mety nanosik’azy nanao io fihetsika io.

Laisser un commentaire