Seychelles : Mitombo ny fiaraha-miasan’ny nosy amin’i Vietnam
Tonga nitsidika ny minisitry ny raharaham-bahiny sy ny fizahantanin’i Seychelles, Sylvestre Radegonde tao amin’ny Maison Quéau ao Quinssy ny ambasadoran’i Vietnam ao an-toerana, Pham Hoang Kim. Nifampidinika ny fiaraha-miasa mety azo heverina eo amin’ireo sehatra lehibe ho an’ny toe-karena izy ireo.
Isany tapaky ny roa tonta nandritra io fifanakalozan-kevitra io ny « exemption de visa » ho an’ny fe-potoana fohy eo amin’ny firenena roa tonta. Fanampahan-kevitra izay nomarihana tamin’ny fanaovan-tsonia ary tsy entina hanamora ny sehatry ny fizahantany eo amin’i Seychelles sy Vietnam ihany izany fa hampitomboana ny fahalalahana ara-barotra ihany koa raha ny fanazavana.
