Alasora: Nisy ny fiofanana nataon’ny Kolotanana niaraka tamin’ny INDDL
Nanatanteraka fiofanana niaraka tamin’ny INDDL (Institut National de la Décentralisation et du Développement Local) ny fkambanana Kolotanana, rafitra miandraikitra ny fitantanana rano fidiovana sy ny fahadiovana ao amin’ny kaominina Alasora. Fiofanana mahakasika ny fitantanana ny fako no natao nandritra izany, araka ny voalaza.
« Ilaina hatrany ny mampitombo traikefa amin’ny fitantanana ny fako mba hanatratrana ny tanjona napetraka, dia ny hoe Alasora mahate honina » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana Kolotanana.
» Mifandraika lehibe amin’ny fampandrosoana eny ifotony ny fahaiza-mitantana ny fako sy ny fikajiana ny fahadiovana. Hisaorana lehibe ireo mpampiofana nifampizara ny traikefa sy nanampy amin’ny fanatontosana izany » hoy hatrany ny avy amin’ny fikambanana.
Fototra hisian’ny fampandrosoana ny fahadiovana, indrindra ny fampandraisana andraikitra ny rehetra amin’ny fikajiana sy fitantanana ny fako. Hirariana araka izany mba hisy fiantraikany mivantana eny ifotony ny fampiharana izao fiofanana izao.
Manitra R.
